所属专辑:Mahaleo (Bande originale du film de Paes & Rajaonarivelo)
歌手: Mahaleo
时长: 05:01
Ramiaramila - Mahaleo[00:00:00]
Written by:Honore Rabekoto/Charle-bert Andrianaivo/Famantanantsoa Rajaonarison/Rakotobe Andrianabelina/Zafimahaleo Rasolofondraosolo/Rakotobe Andrianabela/Razafindranoa Raosolosolofo[00:00:01]
Ialahy ialahy 'lay tsy matory[00:00:18]
Fa variana mieritreritra[00:00:23]
Ialahy ialahy 'lay mieritreritra[00:00:28]
Tsy mety mahita tory a[00:00:33]
Ny lalana nodiaviny toa miakatra sy midina[00:00:40]
Ny fiainana iainany manaraka an'iny a[00:00:51]
Ny omaly hitan'ialahy[00:00:59]
Ny androany eritreretina[00:01:05]
Ny androany hitan'ialahy[00:01:09]
Ny ampitso eritreretina[00:01:15]
Ny lalana nodiaviny tsy fidinana intsony[00:01:21]
Ny lalana nodiaviny efa lasa fiakarana[00:01:31]
O Ramiaramila ô zay manana kaska tsara tarehy[00:01:45]
Lohanao iny ô dia voasarona tsara[00:01:50]
O Ramiaramila ô zay manana kaska tsara tarehy[00:01:55]
Sainao iny ô tsy voasarona kosa[00:02:00]
Toa manahirana fa mivezivezy[00:02:04]
Ny fisainana ao anaty kaska[00:02:10]
Tsy mahatombona ny fisainana[00:02:14]
Fa mitady lalana ivoahana[00:02:19]
Rehefa misy rotaka[00:02:30]
Rehefa misy rotaka[00:02:32]
Mila hikorontana ny loha[00:02:34]
Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila[00:02:39]
Ka miady saina satria[00:02:44]
Any lavitra any e ny vady aman-janaka[00:02:47]
Mivaralila ny ankizy any an-tanana[00:02:56]
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana[00:03:06]
O Ramiaramila ô izay milanja basy tsara tarehy[00:03:21]
Rehefa manana azy ô dia manjary sahisahy[00:03:26]
O Ramiaramila ô izay milanja basy tsara tarehy[00:03:31]
Iny basy iny ô hitifiranao an'iza[00:03:36]
Toa manahirana ny mandinika an'izany[00:03:40]
Toa manahirana ny mamaly an'izany[00:03:45]
Fa ny miaramila ho'aho mpanatanteraka ny baiko[00:03:50]
Hatraiza moa ny fetra hanarahany an'izany[00:03:55]
Rehefa misy rotaka[00:04:05]
Rehefa misy rotaka[00:04:07]
Mila hikorontana ny loha[00:04:10]
Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila[00:04:14]
Ka miady saina satria[00:04:19]
Any lavitra any e ny vady aman-janaka[00:04:21]
Mivaralila ny ankizy any an-tanana[00:04:30]
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana[00:04:40]
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana[00:04:45]
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana[00:04:50]